<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Zaza masina sy soa,
 Nefa ory Hianao,
 Ka nanetry tena koa
 Sy nandao ny lapanao.

[V2]
 Teraka ory sy nahantra,
 Trano tsy nandrianao,
 Fa tsy nisy izay niantra,
 Be ny fahorianao.

[V3]
 Fihinanam-bilon'omby
 No natao fandrianao,
 Fa ny trano be tsy omby,
 Nisy olo-maro tao.

[V4]
 Nofonosin-damban-jaza,
 Tonga zazabodo re,
 Nefa Tompo manan-daza
 Sy Mpanjaka lehibe.

[V5]
 Efa halan'olo-maro,
 Nefa kosa tiako ;
 Dia avia, ry Mpamonjy !
 Honina ato amiko.</lyrics>
<title>Zaza Masina sy soa FFPM69</title>
<hymn_number>69</hymn_number>
<author>Weigh Home Tune Book</author>
</song>